Thursday, June 26th, 2008
48 taona nahaleovan-tena ve ?- A votre santé be
26 jiona 2008, faha-valo amby efa-polo taona nahaleovan’ny malagasy tena. Antananarivo, Madagasikara. @ 11h atoandro ny ora ary mbola eto ampandriana aho sady mihaino télé no mijerijery web. Miala sasatra kely androany fa fetin’ny fahaleovantena.
Maherin’ny folo taona izao no tsy nankalazako ny fetin’ny faheleovantena toy izao teto antanindrazako ary variana aho mandinika ireo olona misomebiseby amin’ity andro fety.
Omaly hariva dia nirava tamin’ny efatra izahay nohon’ny fitsingerenan’ny fetim-pirenena. Tsy dia nisy asa natao firy tao ampiasana fa efa volin’andro fety: maro be ireo tonga tara, niditra amin’ny folo sy tamin’ny iraikambinfolo satria ambouteillage be teto Antananarivo nohon’ny fahatapahan’ny lalana. (Ampasapito nga izany tsy azo naleha izany). Izaho moa mipetraka tsy lavitry ny fiasana ka mandeha tongotra. Teo ireo ray mpianakaviana izay nitsoriaka niala tao ampiasana hijery ny kilalao ataon-janany any an-tsekoly satria mifarana omaly ihany koa ny taom-pianarana hoan’ny kilasy madinika … tratran’ny asaramanitra.
Vao nirava avy teo Ankadivato aho dia namonjy an’Ambihijatovo hijery ny namako mpitendry mozika. Eny an-dalana aho no mifanena amin’ireo kilasy madinika mirava avy nanao carnaval ary manao sarotava samihafa: saka, alika, speederman, na mpanjaka vavy… Miditra ny tunnel Ambanidia aho sady mandalo eo anoloan’ireo ankizikely hafa mpangataka. Mitetraka amin’ny tany isaky ny iray metatra, iray ka hatramin’ny dimy taona.
Fomba ahoana no tsy hieritreretako fa fahaleovan-tena marina moa izao vanimpotoana hiananako izao ?
Midina an’Ambohijatovo aho mandeha tongotra moramora ao anatin’ny arabe, fa tsy eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra satria feno mpivarotra “saina”-mpirenena sy voanjo ary entana vita sinoa ny lalana. Ny arabe moa amin’izany azo aleha tsara satria ny embouteillage manome toky. Setroka fiara no fohana ary klaxon fiara sy mozikan-dRamilison Fenoarivo milalao hira gasy ao amin’ny kianjan’ambohijatovo sy tsipoapoakan’ny ankizy no ren’ny sofina.
Tonga tao an-tranon’ilay namako aho, “Planeta kolotoraly” no anaran’ilay toerana. Toerana fibehazana amin’ny mozika sy toetsaina malalaka. Io no sanfil, tanora malagasy mihezaka mikolokolo ny tontolon’ny talenta sy ny zavakanto malagasy. Mitendry, maka sary sy manao sarimihetsika, mizara, sy mihezana manantona ny mpijery sy ny mpihaino amin’ny zava-kanto.
Nipetrapetraka teo izahay niresadresaka an-kafaliana ny fankalazana ny fête de la musique natao tany Toamasina satria tontosa soamantsara ny zavatra natao tany [eto misy video] na dia nisy lesoka kely aza ny fampitana mivantana ny kilalao natao tany teto amin’ny internet nohon’ny antony tsy miankina.
Tsy nijanona ela tao aho satria efa miantso ahy ireo namako fa hifampitaona hijery afo manga. Ny andro raha teo efa mihamaizina,ilay namako koa mbola hitendry afaka fotoana vitsy. Mikasa hilalao ao an-tokotany be filalaovan’ny ankizy ao Ampefiloha maimaimpoana mantsy izy ary koa hitendry ao amin’ny coffee bar - Villa Pradon Antanimena- ao arian’izany
… ka lasa kely aho aloha, sady hisolo akanjo no hametraka ny solo-tsaiko.
Eny an-dalana miverina aho dia mifanena amin’ireo ankizikely marobe manao arendrina. Tantanan’ireo dadany, mamany, nenitoany, datatoany, zokiny, mpiasany sady mpanampy azy … Misy ihany ireo mitondra arendrina, isan’izany ireo zazakely mpangataka tao anaty tunnel. Ny an-kamaroan’ireo ankizy dia mitondra kilalao erendrina moderina misy jiro ary mandeha vaton’aratra “pile”. Eo ny mitondra sabatra “jedi” mirehidrehitra, eo ny milalao yo-yo misy jiro … vita avy any “asie” mazava hoazy ary endrika mivantana mampiseho ny herin’ny Dragona ato amin’ny firenena
Rehefa avy nody nisolo akanjo aho dia namonjy ireo namako mpijery feu-d’artifice, nihezaka ny ho tonga ara-potoana ihany aho, ny namana sasany koa mbola nisy nandrasana ka nohon’ny ela ny ela dia renay fa efa vita ny afo manga ka tsy nahita izahay. T@ fito sasany hono. Ny andro efa amin’ny valo. Nalahelo ny sasany fa tsy nahita, ny sasany kosa dia nilaza fa efa nahita feu d’artifice izy tamin’ny fiainany ka tsy mila mijery intsony ary tsy miraharaha na mahita izy na tsy mahita. Diso fananantenana ny ankamaroan’ny olona satria 15 minitra monja ny afo-manga
Lasa izahay. Andeha hamonjy fety karain’ny akama. Fito no isanay, ary somary lavitra ilay hoaleha ka voatery handeha fiara. Kelikely ilay fiara ka ny telo eo aloha ary ny efatra ao aoriana. Tsy mampaninona mihintsy izany hoy ilay namako iray fa any Antsiranana ary olona roa no mipetraka eo amin’ny toeran’ny mpamily - efatra izany no eo aloha … Sady mijanona kely aloha fa hividy beks kely eto…
Filaharana be eo anoloan’ilay epicerie kely sendra mba nivola. Toaka, sira, siramany, afokasika, labozia no hilaharana eo fa ny mpilahatra toaka no tena betsaka. Eo an-kilany eo misy tovovavy herotrerony (eo amin’ny roapolo taona eo) mihoaka mandoa, tantanan’ny namany, karazandrazan’itony mpianatr’ankatso itony raha mijery azy. Nisotro toaka loatra … fa fetimpirenena akia !
Vao niala kely, tsy lavitra teo izahay dia voasakan’ny ireto polisy roa lahy … asa na tsy manambola hisotroana toaka angamba fa nilaza taminay fa tsy mety izao ataonay izao fa manomeza vola kely. tsy norarahinay akory sady lasa izahay.
Tonga tao an-tranon’ilay ankizy nikarakara fety - soirée etudiant kay ity hoalehanay ity fa izaho tsy kopy. Feno mpianatra tao, sekoly tsy miakina avy eto an-drenivohitra. Nisy mpianatra frantsay mihisa ho folo koa niara-paly taminay tao.
Frantsay mpanao asa-soa, avy ao amin’ny solidago, mpianatra ingénieur tonga hanampy amin’ny fanamboarana toeram-pitsaboana. Ny resaka nandritra izany moa dia fifanankalozan-kevitra mikasika ny fampandrosoana an’i Madagascar sy ny fitantaran’ity vehivavy vazaha iray amiko ny niainany ny fangalaran’ireo ankizikely mpagataka eny an-dalany ny fakan-tsariny sy ny nahatratrany ity mpangalatra kely, ny fanadihadiana ity ankizy an-keriny tao amin’ny polisy nohon’ny fahanjavonan’ ilay fakan-tsary, ny famotsorana ity zazakely ary ny lesona azony tamin’izany. Mametraka fanontaniana maro manoloan’ny fahantran’i vahoaka Malagasy.
“26 juin” ny andro, mitoraka blog evy eto ambony fandriana, tsara ny andro ao alatrano. “A votre santé” hoy i Ma-tv sady mandefa ny hiran’i Richard Sanderson mitondra ny lohateny hoe Reality [youtube].
Met you by surprise, I didn’t realize That my life would change forever Saw you standing there, I didn’t know I cared There was something special in the air Dreams are my reality The only real kind of real fantasy Illusion are a common thing I try to live in dreams It seems as if it’s meant to beDreams are my reality A different kind of reality I dream of loving in the night And loving seems alright Although it’s only fantasy
Dreams are my reality The only kind of reality Maybe my foolishness has past And maybe now at last I’ll see how a real thing can be
48 taona nahaleo-vantena ve ?
Ireo voalazako ireo aloha ny niainako omaly sy androany.
Sarotra ny fianana: no tenenina rehefa tsy tia hanakivy tena.
Noana: zara raha mihinana satria miafy nefa voatery mihatrika.
Tandremo: tsy misy mifampatoky intsony … sao dia misy mangalatra.
Leo be: ny ankamaroan’ny olona
Inona ary ‘ty ? hoy ny fitenin-jatovo
A votre santé be konko