Thursday, September 6th, 2007
# Podcast: Zo ANDRIANTSILAVO sy ny fandalovan’ny XV Makis de Madagascar teto Provence
Notontosaina omaly tao amin’ny La Plaine Sportive de Sorgues ny baolina lavalava nihaonanan’ny “Makis de Madagascar” sy ny “selection de Provence” izay tompon-dakan’i Eropa na champion d’Europe des Régions.
I Sorgues moa dia tanana kely tsy dia alavitra an’i Avignon ary 80 km miala an’i Marseille - aty atsimon’i Frantsa.
Ity lalao ity dia isan’ny lalao fanoman-tenan’ny Makis izay hiatrika ny lalao famaranana ny RUGBY CAN 2007 Hatao any Mahamasina ny 26 sy 29 Septembre 2007 ho avy izao ary hiaonan’i Kenya, Côte d’Ivoire,Ouganda ary ny Makis de Madagascar.
Indro ary ny Podcast, hanazavan’Andriamatoa Zo ANDRIANTSILAVO filohan’ny federasionina malagasy amin’ny taranja baolina lavava izao fanomana-tenan’i Makis da Madagascar izao.
Nahafinaritra tokoa ny lalao na dia resy azy isika. Niady tsara ny lalao nandritra ny 30 minitran’ny fidirana voalohany ary aotra no aotra ny ny “score”. Araka ny fanazavan’Andriamatoa RANDRIANARISOA Eric Mpanazatra ny XV Makis dia samy hafa ny fitsaran’ny mpitsara “arbitre” any afrika sy aty eropa ka izay no nahatonga ny fihovan’ny solaitra-be teo amin’ny faha 38 minitra satria tsy tsofin’ny mpitsara ny “essaie de premier main” ka nanomboka teo dia fanazaran-tena no nataon’ny XV Makis.
Ny fanazan-tena natao tamin’izany ohatra araka ny filazan’ny mpanazatra ihany dy ny “jeux groupé” su ny fanohanana côcôte izay mbola ananan’ny equipa malagasy lesoka kely. Tafavoaka tsara ireo tetik’hady nampiarina ireo satria dia tsy nahafaty ressaka “poussage” [fanohanana] (jeux d’avant) ry zareo.
Mirihina ihany koa fa samihafa ny ny lalao Afrikanina izay hiaonana amin’ny lalao famaranana izay miandry an-tsika sy ny lalaon’ny sélection de Provence satria dia manova tetika foana ireto vazaha. Ny rivotra “mistral” koa nanampy azy ka nahatonga ny fanafihan-tsika tsy de nandeha firy.
Fanazan-tena no dian’ny XV Makis taty fa tsy hijery vokatra ary tamin’izay lafin’ny fanazaran-tena izay dia hafa-po ny mpanazatra ary milaza fa misy entina amin’ny lalao amkatoky ny famaranana sy famaranana ny CAN.
Maro dia maro ireo malagasy mpila-ravinahitra no tonga nanotrona ny lalao, ary nampahatsiahy ireo lalao hiadiana omby mifahy eny amin’ny Malacam Antanimena ireo orakoraka sy fanohanan’ireo mpakafy … tsy antitra tsy tanora :
- Miara-tonga amin’ny baolina lesy e !!!
Ny taranja baolina lavalava ihany koa dia tsy ilaozan’ny hirahira sy ny 3ème mi-temps ka hafaliana ho ahy ny manolotra anareo izay tsy afaka nanatrika ity lalaom-piralahiana ity sombon-kiran’ny Makis de Madagascar (en exclusivité) ho voandalana.
Fomban’izy ireo rehefa vita ankanjo ka andeha hiakatra eny an-kianja aorian’ny vavaka izay iarahana.
Misy sary kely ao amin’ny flickr ho an’ireo mbola tsy afa-po tsara.
Tao aorian’ity fihaoanana ara-panatanjahan-tena ity moa dia nisy fandraisana ireto mpilalao ireto nomanin’ny Malagasy eto Marseille ary tao an-tranon’ Andriamatoa Consul Adjoint-n’ny masoiviho Malagasy eto Marseille mivady no nanatontosana izany ary nahitany ihany koa ny Vice-Consul mivady, solotenan’ny lebehin’ny fikambana samihafa eto Marseille, ary namana izay tratra antso.
Mitohy hatrany ny fanazaran-tenan’ny XV Makis teto Marseille ary mbola hitohy rehefa tonga any an-tanin-drazana araka ny filazan’izy ireo. Miala eto Marseille raham-pitso izy ireo ary hiakatra any Paris, lalan’izy ireo mitodidoha any an-tanindrazana.
